Maro ny zava-bitan’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ny taona 2024. “Hotohizana ny ezaka natao ary vao mainka hohatsaraina”, hoy ny minisitra Dewa Viviane.
Nitatitra ny zava-bitany tao anatin’ny enim-bolana (nanomboka ny aogositra 2024) naha minisitra azy i Dewa Viviane, sy ny mpiara-miasa aminy, omaly. Nohazavainy koa ny vina ho an’ny taona 2025 satria tanjona lavitr’ezaka ny hahatongavan’ny mpizahatany miisa 1 tapitrisa amin’ny taona 2028. Ho an’ny zava-bita, nahatratra 582 ny fanomezan-dalana hisokatra ho an’ny mpandraharaha na orinasa amin’ny fizahantany. Maro ny fampahafantarana an’i Madagasikara teto an-toerana, toy ny hetsika isan-karazany, ny fihaonana tamin’ny masoivoho vahiny sy ny mpiara-miombon’antoka samihafa. Misy ny fisarihana ny mpampiasa vola iraisam-pirenena ho avy eto amintsika, satria tanjona amin’ity taona ity ny hananganana efitrano fandraisam-bahiny fanampiny miisa 11 500. Anisan’izany ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa Marriott ao anatin’ny Vondrona Luceo Group. Zava-dehibe ireo, satria hiavaka amin’ity taona ity ny handraisan’i Madagasikara ny fivoriamben’ny COI hatao any Nosy Be, amin’ny avrily izao, ka anisan’ny ho avy eto ny filoha frantsay Emmanuel Macron. Hatao eto Antananarivo, amin’ny aogositra, ny fivoriamben’ny Sadc, izay ho hatrehin’ny mpitondra fanjakana miisa 14.
240 tranoheva
Tsy latsak’ireo ny lafiny asa tanana. Hotanterahin’ny minisitera ny tetikasan’ny filoham-pirenena, hametrahana tranoheva miisa 240, mivarotra ny taozavatra malagasy, eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Antananarivo. « Fomba iray ahafahan’ny mpanao asa tanana malagasy mampiseho sy mivarotra ny zava-bitany amin’ny mpizahatany izany », hoy ny minisitra Dewa Viviane. Hoentina any ivelany (India, Dubai, Afrika, Eoropa, …) koa ny mpanao taozavatra hampahafantatra ny vokatry ny tanany.
Njaka Andriantefiarinesy