Miala tsikelikely

Vita izay ny fifidianana! Afapo ny mpikarakara ka milaza fa hiditra amin’ny dingana manaraka avy hatrany indray. Hojerena manokana hoe ny vakiraokan’ny lisi-pifidianana, izay nahabe resaka teo aloha. Tanjona ny ho fiatrehana ny fifidianana madio amin’ny taona 2028. Amin’izay fotoana izay no hisy fifidianana manaraka indray, handraisan’ny vahoaka malagasy anjara mivantana. Ny fifidianana loholona, izay efa ireo mpifidy lehibe sisa mamita azy.
Raha ny voka-pifidianana indray no asian-teny, mbola nanamporofo ny maha antoko matanjaka sy lehibe azy ny avy amin’ny fitondrana. Raha teto amin’ny faritanin’Antana­na­rivo dia misongadina ny volomboasary raha latsa-danja hatrany ny avy amin’ny mpanohitra. Toa ambakain’ireo kan­didà avy amin’ny mahaleo tena. Tsy mahita mangirana, afa-tsy avy amin’ny toerana ambanimbanivohitra sy tanàna vitsivitsy, izay tokam-po, tsy tia mivadika amin’ny teny nomena.
Nanaitra tamin’ity fifidianana ifotony ity ny fisian’ny fikambanana na antoko vaovao miha misandratra sy miha mahazo vahana. Azo hadika hoe tia vao ilay Malagasy. Taitaitran-draha manimanitra, andaniny. Azo heverina ho faniriana ny hiofo sy hiala amin’ny mahazatra, ankilany. Ny azo hamehezana azy anefa dia hoe samy vonona ny hiova na farafaharatsiny miala amin’ireto antoko dinaozaoro, tsy hita be ihany ireto, ny Malagasy. Efa misy ny olona tonga saina ka any amin’ny fifidianana no miezaka maneho hevitra sy mitsipaka izay tsy handrian’ny sainy.
Vahoaka tsy vendrana fa marefo ilay Malagasy. Mila fampirisihana kely fotsiny dia sahy mijoro hanohitra ny tsy rariny sy ny fahasahiranana lavareny mianjady aminy. Tsy sanatrian’ny vava hoe fandravana ny efa mijoro, fa miezaka mampifandanja ilay mizana tsy hitanila any amin’ireo tsy tia taninjanaka. Miala tsikelikely amin’ny nahazatra.

r.r

Partager sur: