Tetikasa lehiben’ny fanjakana ny toerana fialamboly Lac Iarivo eny Ivato. Vonona hanome ny heriny sy ny
fahaizany ny tanora mpandraharaha.
Maherin’ny 100 ny tanora mpandraharaha niarahaba sy nirary soa ny filoha Rajoelina mivady, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nitondra feo azy ireo Ravelojaona Kanto, tomponandraikitry ny orinasa Zà-Tours Madagasikara. Nambarany fa avy amin’ny sehatra maro toy ny fizahantany, ny tontolo iainana, ny fanabeazana, ny varotra, ny fanatanjahantena, sns, ny tanora mpandraharaha miaraka aminy. Nanome toky ny tenany, fa hanome ny heriny sy ny fahaizany, mba hisy fiantraikany tsara ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana ary ara-toekarena, ka hampandroso ny firenena. Efa miparitaka manerana ny faritra ny tanora mpandraharaha ary tsy miandry ny ampitso. Koa, maniry fiaraha-miasa matotra sy mahomby amin’ny fitondram-panjakana ho tombontsoan’i Madagasikara. Mitondra hery, famoronana ary finiavana ny tanora, fa tsy hitaraina na hitsikera, mba hanorenana hoavy tsara kokoa.
Nosinganin’ny filoha Rajoelina Andry manokana, fa asa lehibe hataon’ny governemanta amin’ity taona 2025 ity, ny tetikasa Lac Iarivo eny Ivato, izay hatao toerana fialamboly sy fampiroboroboana ny kolontsaina malagasy. Nampanantena izy fa hisy fihaonana manaraka miaraka amin’ireo tanora voafantina mba handinihina sy hampandraisana anjara azy ireo
amin’ny fanatanterahana ity tetikasa ity.
Izay mitambatra vato
Nomarihin’ny filoham-pirenena fa mampisy fanantenana ho an’ny hoavy ny fahatongavan’ireo tanora marobe teny Iavoloha ary ho eo anilan’izy ireo hatrany ny tenany. Notanisainy ny ohabolana hoe: «izay mitambatra vato, izay misaraka fasika», «ny hazo tokana tsy mba ala».
Koa, afaka mitondra fiovana lehibe sy maharitra ny fiaraha-mientana.
Njaka Andriantefiarinesy