Mitsinjo manokana ny vehivavy sy tovovavy sahirana, reny tsy manambady, ny “Meca Mama”, tohanan’ny Tahirim-bola «La Francophonie avec Elles» avy amin’ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny Frankofonia (OIF). Miisa 25 izy ireo no misitraka ny tetikasa, novolavolain’ny ONG HSS sy ny BTC, izay fampiofanana mandritra ny enim-bolana, mahakasika ny mekanikana fiara sy moto. Mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa ny Sodiama, ny Optimum, ny Co42 ary ny Smart Kids. Misy koa ny fampianarana ny fampiroboroboana ny maha olona, ny fitantanana, ny teny frantsay, sns.
Misy amin’ireo mpiofana no reny efa niteraka, toa an’i Nirisoa, avy any Mahajanga. Nambarany fa tombontsoa lehibe ho azy ity fiofanana ity satria misy ny fikarakarana manokana ny zanany, ataon’ny sekoly Smart Kids.
Mandritra ny 36 volana ny tetikasa “Meca Mama”. Mianatra sy manao fampiharana ny 18 volana voalohany, ary fanaraha-maso sy fanombanana ny mpiofana ny faharoa, hitiliana izay hita fa mazoto sy mahomby, ka hikarohana asa sahaza azy avy eo.
Njaka A.