Navoakan’ny Federasiona malagasin’ny basikety tao amin’ny pejiny facebook, omaly, ny lisitr’ireo mpilalao hitiliana izay hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny fifanintsanana ho an’ny « Afrobasket 2025 », sokajy lehilahy.
18 mirahalahy izy ireo no tafiditra ao anatin’izany. Mpilalao milaravinahitra 6 no tazana ao anaty lisitra, ahitana an’i Mathias M’Madi, Lahotan Rija, Razanamahenina Kiady, Randriamananjara Johan Andy, Rabibisoa Jerry Pépin ary Raharimanantoanina Sitraka. Tsy tafiditra anaty lisitra kosa Rakotonanahary Donovan sy Andriatsarafara Lova ary i Mika Heritiana izay tsy nahazoana fanampim-panazavana ny antony tsy niantsoana azy ireo.
Ho an’ireo mpilalao eto an-toerana kosa, misy mpilalao vaovao maromaro nantsoina, anisan’izany Ravelojaona Tanjona, Rasolonandrianina Hasina, Arimanana Kanto Damie ary Maminirina Julio. Anisan’ny mpilalao nisongadina tamin’ny fifaninanana nasionaly izy ireo raha ny fanazavana azo ka izay no antony nahatafiditra azy ireo anaty lisitra. Ankoatra izay, mpilalao efa teo foana ary mbola handrafitra ny ekipa nasionaly amin’ity fifaninanana ity, Ratianarivo Livio, Rakotovao Marco, Randriamampionona Elly, Tsialefitra Jino, Faralahy Monja Romain, Solondrainy Arnol, Rasolomanana Anthony ary Rakotonirina Fiary Johnson. Ravonimbola Jeannot sy Rakotonanahary Ndranto kosa ny mpanazatra hiaraka amin’izy 18 mirahalahy ireo.
Mahakasika ny fanomanantena, efa manomboka ny ho an’ireo mpilalao avy eto an-toerana mandra-piandry ireo mpilaravinahitra. Etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena izy ireo no mikotrana, araka ny angom-baovao voaray.
Mi.Raz