Manoloana ny lesoka amin’ny fandraisan’olona, izay mampitaraina ny maro, eny amin’ny hopitaly sy tobim-pahasalamana dia nanao fanamby ny hanao ezaka manokana mihitsy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mahakasika izany amin’ity taona 2023 ity.
Nilaza ny minisiteran’ ny Fahasalamam-bahoaka fa hanao ezaka goavana amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fandraisana eny anivon’ny hopitaly sy ireo tobim-pahasalamana fototra amin’ity taona 2023 ity. Miandrandra mafy izany fanovana sy fanatsara izany ny marary sy ireo mpitondra marary.
Anisan’ny mampitaraina ny maro eny amin’ny hopitalim-panjakana ny fitavozavozana eo amin’ny fandraisana azy ireo. Aina no vonjena kanefa matetika ela vao misy mandray, ela ihany koa ny pitsopitsony amin’ny fanaovan-taratasy. Fa indrindra tena ela ny filaharana eny amin’ny farmasia izay hividianana ny fanafody maika ilain’ilay marary hovonjena. Indraindray maty mihitsy ny marary vao vory ny fanafody tokony hoampiasaina.
Fanavaozana andrasan’ ny maro eny amin’ny hopitalim-panjakana ihany koa ny fanajana azy ireo na
amin’ny teny na amin’ny fihetsika. Misy ny mpiasan’ny hopitaly tena mikitakita, masiaka, mamiravira… Tsy voatery hahay hamaky teny sy hahafantatra ny fandaminana sy ny toromarika avokoa izay tonga amin’ireny hopitaly ireny. Indrindra raha manana ny marary mafy mila vonjy aina maika ny fianakaviana tena sahirana hifantoka amin’izay peta-drindrina sy torolala fa manontany tompon’andraikitra ka mila valiana am-panajana ihany koa.
Ankoatra ireo ny fanovanovana ny fanafody ataon’ny dokotera mifandimby ka matetika tsy ampiasaina akory ny sasany kanefa nandaniam-bola…
Ampahany ihany ireo fa mbola maro ny fitarainana re sy hita eny amin’ireo hopitalim-panjakana. Na izany aza, misy ireo tena manao ny asany amin’ny fo, manaja, mihaino, manoro…
Manantena ny fanatsarana amin’ireo rehetra ireo ny marary sy ny mpikarakara marary eny amin’ny hopitaly sy tobim-pahasalamana.
Ireo sokajy misy ny mpiasan’ny fahasalamana
Nampahafantatra ireo sokajy misy ireo mpiasan’ny fahasalamana, izay voafaritry ny fanamiana entiny hahafantaran’ny olona azy eny amin’ny toeram-pitsaboana , ny minisitera.
Misalotra ny akanjo fotsy ny dokotera. Manao akanjo mavokely ny rasazy. Fanamiana manga kosa ny an’ny infirmiera ary maitso antitra ny an’ny anésthesiste. Misahana ny asa any amin’ ny laboratoara kosa ireo manao fanamiana maitso tanora. Miakanjo manga tanora ireo olona manampy amin’ny sehatra samihafa amin’ireny tobim-pahasalamana ireny.
Tatiana A