DAKA AN-JORONY: Tononkira tsy misy feony

Tsy kanto ny hira iray raha tsy misy tonony sy feony ka raha tononkira tsy misy feony dia toy ny miventy tsy amin’amponga. Raha ampifandraisina amin’ny fanatanjahantena izany dia toy ny miteny hoe: Manana ekipa fa tsy misy mpilalao na manam-baolina fa tsy misy kianja. Betsaka ny azo tanisaina fa ireo aloha no voalaza. Ankehitriny, manana ekipam-pirenena ny baolina kitra fa tsy misy mpanazatra ka toy ny tononkira tsy misy feony.
Toy ny fitia tsy misy mpiventy ka lasa mivezivezy. Toa malaza tsy ihinanana toa vilian-tsahona ny fanendrena izay hitondra ny Barea de Madagascar, ankehitriny. Be ny faniriana, hatao fitia iaraha-miangaly. Miara-misalahy ny rehetra, mitady izay feo mba tiana, mandeha etsy sy eroa, mitety sy mifindrafindra nefa raha tsy mivalana ireny dia miredona tsy mety mirindra ka toa zary lasa tononkira tsy misy feony.
Toa zary mankalilo ny sofina ny fandrenesana fa tsy maintsy hivoaka amin’izao daty izao ny anaran’ny ho mpanazatra. Be ireo feo mifandimby nefa tsy misy azoazo. Iza no andrasana, sa efa ao ny tonony fa ny feony dia ho tontosa ilay izay. Hatreto aloha mbola tononkira tsy misy feony ny Barea sy ny ho mpanazatrany.
Maro izay tononkira nosoratana izay, saingy tsy voaravaka mozika fa mbola mitoetra ho tononkira tsy misy feony. Manahy ny maro ndrao ho lasa tononkira diso solfezy ka hivaralila hatramin’ny tonony. Mangasihasy ireo mpankafy ka lasa irery toy ny fitia mandeha ila. Toy ny lahiantitra manin-kavana ry zareo, hitsinjo tsy mahita ny maso. Handeha tsy ho afaka ny tongotra, any an-kibo no mamolivoly ka ny ranomaso no mipotrapotraka. Dia toy ny tononkira tsy misy feony hatrany ny fiainany.

 

Tompondaka

Partager sur: