Notontosaina teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny tanora Mahamasina, ny sabotsy lasa teo, ny hetsika Yoga voalohany niarahana tamin’ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS). Tonga nandray anjara sy niatrika izany, teny an-toerana, ny minisitra, Marson Moustapha Abdulah. “Taranja iray manala ny vesatra rehetra niainana rehefa miasa mandritra ny herinandro ny fanaovana ny Yoga. Maivana tsara ny tenako amin’izao fotoana izao, ary azo antenaina ny mety hisian’ity hetsika ity matetika eto Madagasikara satria mahatsara ny fahasalamana izany.” hoy ny minisitra.
Tsara ny mampahatsiahy fa ny Yoga, fanatanjahantena fanao any Inde, ary nanomboka ny taona 2014 izy no niparitaka maneran-tany. Ny 21 ny volana jona moa no daty natokana hankalazana ny Andro iraisam-pirenen’ny Yoga. Ankoatra izay, nilaza ity lehiben’ny fanatanjahantena eto Madagasikara ity, fa manga tanteraka ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Inde. Nambarany fa efa misy ny fiofanana asa fanaovan-gazety any Inde ary efa tonga ao ny vatsim-pianarana amin’izany. Natokana ho an’ireo mpanao gazety mahafehy tsara ny teny anglisy moa izany.
Tazana teny an-toerana, nanao ity hetsika ity ihany koa ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny Taekwondo WT, Rakotomanana Franck Tiana.
F.R