Base Toliara: Nitsodrano ny tetikasa ny olobe any Ranobe

Manaja ny fomba sy ny kolontsaina malagasy ny orinasa Base Toliara. Nankasitraka ary nitsodrano ny tetikasa ny olobe sy ny raiamandreny any an-toerana, satria tsapan’izy ireo fa hitondra fampandrosoana izany.

Toerana hitrandrahan’ny tetikasa Base Toliara ny any Ranobe, ny fokontany Ranobe, kaominina Anki­­limalinika, disitrika Toliara II. Nisy ny famonoana omby, nen­tina nanamarihina izany, fotoana vitsy lasa izay. Fo­toana ihany koa nampahafantaran’ny fitondram-panjakana tamin’ny mponina fa nahazo alalana hiverina hisokatra ny orinasa. Nisolo tena ny governora Atsimo Andre­fa­na, To­von­drainy Edally, ny lefitry ny sefo distrika Toliara II sy ny DID, Heriharivelo Risite. Nam­baran’ity farany fa maro ny tombontsoan’ny mponina, avy amin’ireo fandaharanasa so­sialy, mitentina an-tapitrisany dolara. Eo koa ny haba sy tamberim-bidy ho an’ny faritra Atsimo Andrefana. Toraka izany koa ny asa tsy mivantana ateraky ny tetikasa ho an’ny sehatra tsy miankina.
Nilaza Rafesy, mponina any Ranobe, «tsy ao anatin’ny ala Mikea ny faritra hitrandrahan’ny Base any Ranobe, fa 15 km miala an’i Benetsy. Vao­vao diso ny tsaho haely milaza fa manimba ny tontolo iainana ity tetikasa ity, ka tsy adala izahay manohana azy». Namba­ran’i Miandry, mponina any Ranobe, fa «hisy ny fanorenana sekoly ao amin’ny kao­minina Ankilimalinike, ny fa­mindrana ny fasana, ny fa­no­nerana ara-bola amin’ny fananantany, noho ity tetikasa ity».
Faly ary manantena ny tombontsoa ho azo ny filoha lefitry ny fokontany Ranobe, Ramanoely Toto.
Fandaharanasa tontolo iainana
Notsorin’ny ben’ny Tanàna vonjimaika Ankilimalinike, fa tsy hanimba ny fizahantany ny tetikasa Base, fa vao mainka aza hampitombo ny mpitsidika. Maro ny fandaharanasan’ny Base amin’ny lafiny tontolo iainana. Tsy hokitihina ny hazo baobab sy ny torapasik’i Mangily, tsy araka ny lazain’ny depiote any an-toerana hatramin’izay.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: