Raha misy firenena sy mpitondra hafakely dia ity Madagasikara malalantsika ity. Tsy mbola nisy angamba mpiasam-panjakana nahazo tambiny mitentina 97 tapitrisa Ariary isan’olona ho mari-pankasitrahana izany. Fa nisy tokoa izany amin’izao maha filohan’ny Repoblika an-dRajoelina Andry, an’i Madagasikara, izao. Efa-dahy monja no nisantatra izany isanisany. Manginy fotsiny ny 25 tapitrisa Ar ho an’ireo am-polony hafa. Ry zareo mpiasan’ny fadintseranana izany.
Manoloana ny zava-misy, mipetraka ihany ny fanontaniana: fa inona loatra ny tao ambadik’iny resaka volamena iny no tonga hatramin’izao valisoa goavam-be izao? Tsy efa asan’ny mpiasan’ny fadintseranana ve ny manenjika mpanao trafika? Asa fanao andavanandro izany ary harem-pirenena ihany koa ireo volamena tratra. Sanatrian’ny vava fandoto iray tandroka fa mahavariana satria tsy izy ireo irery no miasa ka ahitam-bokatra tsara.
Tena volabe, ahafahana mamita tetikasa lehibe ho an’ny besinimaro ny tahaka ireny. Ekena ny fampirisihana hiasa tsara, fa tena tokony ho izany ve? Toa sanatria mampiana-dratsy ireto mpiasam-panjakana izany. Tsy hanao ny andraikiny raha tsy mahazo tambiny. Mandra-paharahoviana anefa ny kitapom-bolan’ny fanjakana no hahavita hizarazara vola tahaka izao? Azo heverina mantsy fa tsy hiangatra amin’izay mba mahita vokatra tsara ankoatra ny volamena ny mpitondra.
Inona marina no dikan’ireny fihetsika hafakely ireny? Tsy ampahafirin’ny volamena mivoaka avy eto Madagasikara ilay 53 kg sy 13 kg voalaza fa nanomezana fankasitrahana. Maninona no tafavoaka ny volamena aman-taoniny tonga any Dubai, isam-bolana? Aiza ny fanadihadiana lalina mahakasika izay tsy tratra? Aiza koa ny mangarahara momba ny tompon’ireto tra-tehaka? Miandry ny mpanara-baovao!
r.r