Seranana Ivato: Nohamoraina ny fivezivezen’ ny mpandeha

Manana fotodrafitrasa vaovao ny fitantanana ny fadintseranana eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antananarivo. Nitokana izany ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, omaly.

Misy lalana roa samy hafa napetraka ao amin’ny toerana fisavana ny entana, hanamora sy hanafaingana ny fivezivezen’ny mpandeha sy ny fanaraha-maso ataon’ny ladoany. Afaka misafidy amin’ireo lalana ireo ny mpandeha raha hanambara ny entana entiny na tsia. Misy ny fitaovana mampahafantatra, ny lalana maitso (circuit vert), mirefy 17 m2, milaza fa tsy misy entana hampahafantarina. Alefa amin’ny lalana mandeha ho azy na aotomatika (tapis roulant) ny entana ho hamarinin’ny ladoany ny ao anatiny.

Faharoa ny lalana mavo (circuit jaune), manambara fa misy ny hampahafantarina, mirefy 35 m2, ahitana tranoheva (box) roa fitiliana ataon’ny ladoany. Hita ao anatin’ny toerana fanaovan’ny sampandraharahan’ny fadintseranana ny fisavana ny entan’ny mpandeha ireo fotodrafitrasa roa ireo. Avy amin’izany no hitiliana raha misy entana tsy azo entina, na koa ny mila handoavana haba. Misy toerana fanaraha-maso (16 m2) ahitana takelaka (écran) sy famonoana afo ao anatiny. Eo koa, ny lalantsara 8m2 manasaraka ny fitoeran’entana (19 m2).
Fampandriana fahalemana
Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, ampiasana ny teknolojia avo lenta, ny lamina nametrahana ireo fotodrafitrasa. Misy ny fandaminana amin’ny fanamafisana ny fandriampahalemana. Napetraka ny fitaovana manokana manamarina ny karatra elektronika an’ny mpiasa mivezivezy. Ahitana fitaovana maka ny sary (camera) ihany koa ao an-toerana, manampy ireo olona miantoka ny fanaraha-maso ny tsirairay. Misy rahateo ny fitaovana aro afo sy famonoana afo.

Orinasa eto an-toerana no nametraka ireo fotodrafitrasa ireo, maneho ny fahaiza-manaon’ny teknisiana eto amintsika izany.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: