Mpiasan’ny fadintseranana: efa-dahy nomena 388 tapitrisa Ariary

Nampiavaka ny fotoana, omaly, teny Ivato koa ny fankasitrahana ireo mpiasan’ny fadintseranana efatra mirahalahy, nahatratra ny volamena saika haondrana antsokosoko tany ivelany. Notoloran’ny filoha Rajoelina Andry vola mitentina 388 162 000 Ar ireo nahatratra ny volamena 53,735 kilao, izany hoe, mahazo 97 040 574 Ar tsirairay avy. Notolorana 100 155 810 Ar kosa ny efatra mirahalahy hafa, nahatratra ny 13 kilao, izany hoe, nahazo 25 038 953 Ar tsirairay. Nambaran’ny filoha, fa « fandresena ho antsika izao ezaka ataonareo izao, ka mendrika fankasitrahana. Sa­dy fandresena ny ady amin’ny kolikoly izay apetratsika hiarovana ny harena voajanahary ».
Notsipihin’ny filoham-pirenena fa ahafahana misongadina sy ahazoana tombony tsara sy mivaingana ny fanaovana ny asa araka ny tokony ho izy sy am-pahamarinana. Koa, nampirisihiny ny mpiasam-panjakana rehetra hanao ny asa antsakany sy andavany hiadiana amin’ny kolikoly isaky ny sehatra misy azy avy. Nanome toky ny tenany fa hahazo sitraka ny rehetra fa tsy hiasa jamba rafozana.

Njaka A.

Partager sur: