Sambo iray nitondra hazo tsy ara-dalàna no tratran’ny ekipan’ny fitantanam-paritra Dredd Analanjirofo tany Anove Atsimo, kaominina Manompana, distrika Soanierana Ivongo, ny alahady 19 janoary teo. Miisa 100 ny hazoala tao anatiny, tombanana ho avy any Mananara Avaratra. Nandositra avokoa ny olona tao anatiny ary efa eo am-pikarohana azy ireo ny Dredd sy ny mpitandro filaminana.
Hampiana ny tosiky ny rano amin’ny lakandrano ilany havia manondraka ny lemaka Bas Mangoky. Tinapaka izany soso-kevitra izany taorian’ny fitarainan’ny mpamboly, satria nihena ny tosiky ny rano manondraka ny tanimbary. Nihaona mivantana tamin’izy ireo, ny herinandro lasa teo, ny delegasiona avy amin’ny fanjakana (ny Fambolena, ny Asa vaventy, ny faritra Atsimo Andrefana,…) ary ny orinasa manamboatra ny tetezan’i Bevoay.