“MECC 2025”: manamora ny fifanankalozana ara-barotra i Madagasikara sy i Canada

Hiara-hiasa ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Hanamorana ny fifanankalozana ara-toekarena sy ara-barotra, araka ny iraka apetraky ny Antenimieran’ny varotra sy ny fifandraisana, eo amin’i Canada sy i Madagasikara izany (Cancham).

Manampy ny Malagasy mpandraharaha hiditra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy hampiroborobo ny toekarena ny hetsika “Mission économique et commerciale” atao any Canada (MECC). Hotan­terahina ny 28 avrily ka hatramin’ny 10 mey izao ny MECC andiany fahenina. Hisongadina manokana, mandritra izany, ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny hetsika iraisam-pirenena momba ny sakafo (SIAL) atao any Toronto, ny 29 avrily-01 mey. “Ankoatra ireo, hisy ny hetsika ara-toekarena any Ottawa, Trois-Rivières, Shawinigan, Drummondville, Victoriaville ary Montréal”, hoy ny filohan’ny Cancham, Ratovomanana Ando Lalaina.
Hisongadina ao anatin’ny fandaharana ho amin’ity taona ity ny fihaonan’ireo samy mpandraharaha (B2B), ny fihaonan’ny mpandraharaha sy ny mpanjifa (B2C). Hisy ny fitsidihana orinasa, ny varotra fampirantiana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanitarana ny tambajotram-pifandraisana ho an’ny fifanankalozan’ny firenena roa tonta.

Sehatra maro
Misandrahaka amin’ny sehatry ny fandraharahana mifototra amin’ny fambolena, ny asa tanana, ny fizahantany, ny haitao ara-kajy mirindra, ny sehatra maha olona ary ny fanabeazana ny “MECC 2025”. Kendrena ny hampidirana ny vokatra malagasy eo amin’ny tsena kanadianina. Vovonana matihanina sy fanta-daza amin’ny fampiroboroboana sy fanandratana avo ny vita malagasy maneran-tany ny MECC.
Niantsehatra nanomboka ny taona 2017 izy ka maherin’ny 11 tapitrisa dolara ny vokatra lafo ary miisa 48 ireo mpandraharaha nisitraka fanohanana.

Henintsoa H

Partager sur: