Azo antsoina ny laharana maitso 261, handraisana fanamarihana sy fitarainana momba ny fanararaotana amin’ny vidin’entana sy ny ahiahy momba ireo fitaovam-pandrefesana sy fandanjana. Voasokajy ao anatin’izay ny hosoka amin’ireo entam-barotra na trangana kolikoly mahakasika ny varotra. Ho tanana tsiambaratelo ny momba ny mpiantso. Ankoatra izay, laharam-pahamehan’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic) ny fandrindrana araka ny tokony ho izy ny famatsiana ny mponina. Himasoany ny ady amin’ny kolikoly miantraika amin’ny fiainan’ny tsirairay sy ny fiainam-pirenena. Antony nametrahana ny laharana maitso. Voalaza ao anatin’ny tatitra nataony fa misy ny fepetra azo ampiharina raha hita fototra ny fihoaram-pefy mety ho tonga hatrany amin’ny fampidirana am-ponja, araka ny rijan-tenin-dalàna fiarovana ny zon’ny mpanjifa. Na izany, vaindohan-draharahan’ny minisitera ny hanabe ny mpisehatra sy ny mpivarotra ka hametraka ho filamatra ny fifampitsinjovana. Noho izany, mampahafantatra ireo fitsipika mifehy ny varotra sy manentana ho an’ny fanajana hatrany ny minisitera, hametrahana ny sosialim-bahoaka ho ivon’ny fampandrosoana sy hisorohana ny fanararaotana ny mpanjifa.
Henintsoa H.