Niorina ny taona 2014 ny fikambanam-behivavy Miavotra any Ampitambe Moramanga. Nahazo fiofanana ara-teknika amin’ny fambolena legioma sy voankazo tamin’ny orinasa Ambatovy izy ireo, ary efa mahaleo tena ara-pitantanana. Ankehitriny, mahatratra 1 taona isam-bolana ny vokatra vatsian’ny fikambanana Miavotra ho an’ny orinasa Ambatovy, nanomboka ny taona 2023. Nilaza ny filohany, Razanamanana Florentine, fa voankazo sy legioma toy ny akondro, pasiteky, kôkômbra, korizety, sns, no vatsian’izy ireo ny orinasa.
Nanohana ny fikambanam-behivavy Miavotra tamin’ny lafiny fampitaovana, tamin’ny alalan’ny fanomezana zezika maimaimpoana sy fampiofanana ny lafiny teknikam-pambolena, ny Ambatovy. Notsorin-dRazanamanana Florentine, fa « nanampy betsaka anay tokoa ireny fampiofanana ireny satria nahafahanay nampitombo ny vokatra sady nanatsara ny fidiram-bolanay ».
Tsiahivina fa manana tetikasa manokana sy mazava ny tetikasa Ambatovy, hanohanana ireo mponina manamorona ny toeram-pitrandrahana sy ny ozinina any Toamasina. Ifantohana amin’izany ny fanatsarana ny fidiram-bola sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Singanina amin’ireny ity fahombiazan’ny fikambanam-behivavy Miavotra any Ampitambe ao amin’ny distrika Moramanga ity.
Njaka A.