Hametraka tantara vaovao eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra malagasy ny ho fandraisana anjaran’ny Net Foot amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena hatao any Espagne. Vonona ary efa ao anaty fanomanana hiatrehana izany izy ireo, amin’izao fotoana izao.
Afaka telo volana, hanomboka ilay fifanintsanana ho an’ny tanora mpilalao baolina kitra ho an’ny sokajy U19, izay hatao any Espagne, ny volana avrily ho avy io. Anisan’ireo sekolin’ny baolina kitra miatrika izany fifaninanana izany any an-toerana, ny Net Foot, izay entin’ny mpanazatra Rasolonanahary Rivomanantsoa. Mpilalao miisa 16 mirahalahy eo no entin’izy ireo hanafika any Espagne.
Nambarany fa misy mpilalao roa any ivelany, mety hanatevina ny ekipa malagasy. Efa eo am-pandaminana ny lafiny rehetra ny klioba amin’ izao fotoana izao. Mbola vesatra ho azy ireo anefa ny fikarakarana ny dia, ka mangataka fanampiana avy amin’ ny fitondram-panjakana sy izay malala-tanana ihany koa ry zareo. Nohamafisin’ity teknisianina ity fa voninahi-pirenena no arovana amin’ity fifaninanana any ivelany ity.
Mba ho fanomanana tsara ny Malagasy mpilalao, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga izy ireo mandritra ity taom-pilalaovana 2025 ity.
Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa anisan’ ireo mandray anjara amin’ity fifaninanana hatao any Espagne ity ireo klioba goavana maro manerana an’i Eoropa. Anisan’izany ny FC Barcelone, ny Real Madrid izay samy ekipa espaniola. Miampy an’i Paris Saint Germain (PSG) sy ny Olympique de Marseille avy any France sy ny Manchester City, Chelsea, ekipa anglisy ary ny FC Porto, Sporting Lisbon avy any Portugal. Ity fifaninanana ity dia efa nandraisan’ireo mpilalao kalaza amin’izao fotoana izao anjara, toa an’i Lamine Yamal, lohalaharan’i Espagne sy ilay kintan’ny baolina kitra argentin, i Lionel Messi. Teo koa i Kylian Mbappé, frantsay ary Bellingham, anglisy.
Inoana fa mety hahitana Malagasy mpilalao hisongadina ka hanatevina ireo ekipa vaventy any Eoropa ny ho fandraisana anjaran’ny Net Foot.
Fitia Randria