Voasambotry ny Service anti-gang (Sag) tetsy Anosizato, ny alahady teo, ireo lehilahy roa, 20 taona sy 26 taona. Voarohirohy ho niray tsikombakomba sy mpampanofa moto ho an’ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana eto Antananarivo Renivohitra izy ireo, raha ny fanadihadiana nataon’ny polisy. Voatsongon’ity sampandraharaha ity ny dian’izy ireo, taorian’ny fanadihadiana nandritra ny andro maromaro.
Nidina nisava ny tranon’ireto roa lahy voasambotra ireto ny polisy avy ao amin’ny CSP5, omaly. Sarona sy hita nandritra izany ireo Scooter telo nangalarin’izy roa lahy. Nahitana vehivavy iray nafenina ihany koa tao an-tranon’izy ireo, nandritra izany. Mitohy hatrany ny fanadihadiana na efa nisy aza ny voasambotra. Efa eo ambany fanaraha-mason’ny mpitandro filaminana izy roa lahy voasambotra ireto. Noraisin’ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava (Brigade Criminelle) kosa ny tohin’ny famotorana.
Mino