Tetikasa “Volobe II”: Fanamboaran-dalana ataon’ny CGHV

Mandray anjara amin’ny Andraikitry ny orinasa amin’ny sosialy (RSE) ny tetikasa « Volobe II », ataon’ny orinasa CGHV, hanangana ny toby famokarana herinaratra 120 MW any an-toerana. Voasoritra ao anatin’ny bokin’andraikitry ny orinasa ny fanatanterahana izany, mba hisian’ny fampandrosoana eny amin’ny kaominina iasany. Horaisin’ny orinasa an-tanana ny fanamboarana ny ankamaroan’ny ampahan-dalana ratsy amin’ny lalana mirefy 50 km mankany Volobe. Ifandrimbonany amin’ny orinasa hafa ny fiantohana ny akora ilaina, toy ny vatokely, ny solika, sns. Hamatsy ny milina vaventy kosa ny faritra Atsinanana.
Natao sonia ny 12 desambra 2024 ny fifanarahana teo amin’ny orinasa miisa 5 sy ny faritra Atsinanana. Nilaza ny governora mpisolo toerana, Rakotovao Andry, fa tsy hita anaty Tetibolan’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) ny vola ho an’ny lalana iraisan’ny kaominina (route inter-communal), saingy hiezaka hatrany isika hanamafy ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny tsy miankina, ahafahana miasa.

Sajo sy Njaka A.

Partager sur: