Misehatra amin’ny fifandraisan-davitra sy ny fifanakalozam-bola amin’ny finday ny orinasa Airtel Africa, amin’ny firenena 14 eto Afrika. Misy ny fiaraha-miasany amin’ny mpanakanto sangany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena miisa telo, Fally Ipupa avy any Repoblika demokratika Congo (RDC), Diamond Platnumz (Tanzania) ary Simi (Nizeria), hampiroboroboana ny fampiasana fifandraisan-davitra niomerika, nanomboka ny 20 janoary 2025 teo. Tanjona ny hisarihana ny mpanjifa hanatsara ny fampiasany ny tolotry ny Airtel Africa. Hampahafantarin’ireo mpanakanto telo ireo amin’ny alalan’ny hira manokana ny torohevitra sy ny tolotra isan-karazany omena ny mpanjifa. Anisan’izany ny tolotra amin’ny fiainana andavanandro, ny fidirana amin’ny internet, ny fifampiresahana mivantana ho an’ny olona maromaro (streaming), sns.
Nanatontosa azy ny #SmartaWithData, misehatra amin’ny fanabeazana amin’ny fampiasana sy fitantanana ny tontolon’ny niomerika. Nilaza ny talen’ny tsena sy varotra Airtel Africa, Rohit Marwha, fa « tanjona ny hanomezana toky ny mpanjifa fa tombontsoa maro no ho azony amin’ny tolotra omenay ». Tena kendrena ny tanora sokajin-taona 18- 35 taona, ary izy ireny indray no mizara amin’ny manodidina avy eo. Firenena fito (Kenya, Nizeria, Ouganda, Tanzania, RDC, Zambia ary Malawi) no hisitraka ity hetsika ity.
Njaka A.