VAOVAO TAMBATRA

Vita ny fikojakojana ny lalana mampitohy an’i Vohitraivo sy Andilamena (RN3A), faritra Alaotra Mangoro. Mirefy 45 km ity lalana ity, ka avy amin’ny Tahirimbolan’ny lalana (Fonds routier) no nanaovana azy, nataon’ny orinasa CGC. Nampiavaka ny asa ny fanoloana ho « béton » ireo tetezan-kazo ary natao godirao ny ampahan-dalana tena ratsy.
Manodina ny fako plastika ho lasa vokatra azo ampiasaina indray ny AndaoCompany, toy ny koveta, zinga, kaopy, vilia, kojakoja madinika, sns. Tanjony ny hitondra anjara biriky amin’ny fikajiana ny tontolo iainana, sy miady amin’ny fandotoana. Eo koa, ny famoronana asa ho an’ny tanora sy ny fiarahamonina.
Notolorana harato miisa 225 ny mpanjono any amin’ny CR Amboditandroho, distrika Toamasina II. Avy any amin’ny fokontany miisa 13 any an-toerana izy ireo, ao anatin’ny Vovonana Miara-mandroso. Nanoha­na ny fanampiana ny fikambanana Tafo Mihaavo Atsinanana, novatsian’ny Tahirimbola iraisam-pirenena ara-tontolo iainana GEF7 ara-bola.
Hita ny toerana hananganana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro any Fi­anaran­tsoa. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa 50 MW, araka ny toromariky ny filoham-pirenena. Tafapetraka, omaly, ny vato orimbato mamaritra ny tany ao amin’ny fokontany Marodinta, kaominina Talata Ampano, distrika Vohibato.

Partager sur: