« Pureplay Football League » : Hatomboka ny voalohan’ny volana febroary

Tonga nitsidika ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, omaly, tetsy Isoraka, ireo mpikambana maro avy amin’ny CFEM. Taorian’io, nivoaka ny vaovao fa hitohy ny volana febroary ho avy izao ny PFL.

Nambara ofisialy teny Isoraka, omaly, fa ha­nomboka ny 1 – 2 febroary ho avy izao ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)”. Nila­za ny filohan’ny Fikambanan’ ny klioba elita eto Madagasi­kara, (CFEM), Rakotoari­manana Henintsoa na Maire Tôta, fa klioba 12 ihany no hifanintsana ary hatao lalao tokana tsy misy mandroso sy miverina ny fifanintsanana voalohany.
Tsiahivina fa hatao vondrona iray avokoa ireo ekipa 12 ireo, ary izay valo voalohany ihany no hiakatra amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana. Nomarihin’ny lehiben’ny CFEM fa manomboka eo amin’ny ampahefa-dalana, hisy ny fihaonana mandroso sy miverina ary mitovy amin’izay ihany koa ny manasa-dalana. Tsy misy an’izany kosa ny fa­maranana, hatao eo Mahama­sina.
“Tsy maintsy hovitaina amin’ny volana jona ho avy io ity fifaninanam-pirenena ity, mba hahafahana mandefa ny anaran’ny klioba izay ho so­lontenan’i Madagasikara, mandritra ny fifaninanan’ny Caf”, hoy Maire Tôta. Namba­ran’ny mpitantana ny CFEM ihany fa natao izao fanapahan-kevitra izao mba hahafahan’ny mpanazatra ny Barea A’, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, hanana mpilalao tsara sy feno, mandritra ny fifaninanana Chan. Marihina fa nahemotra ny volana aogositra ity fifaninanana ity.
Ankoatra izay, nanka­toavin’ny federasiona FMF ny hanome fanampiana ireo klioba rehetra mifanintsana amin’ity fifaninanana nasionaly ity. Nankasitraka io ezaka ataon’ny lehiben’ny rafitra fe­de­raly io avokoa ireo mpikambana ao amin’ny klioba elita eto Madagasikara.

Fitia Randria

Faniriana …
Manam-paniriana ny hampiasa ny Kianja Barea Mahamasina ireo klioba 12 mifanintsana amin’ny PFL. Mangataka amin’ny minisitry ny Fanatanjahantena (MJS) sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana izy ireo mba hanome io kianja io hilalaovana indray mandeha isam-bolana. Tanjona ny hahafahan’ireo klioba mizatra ny kianja.

Partager sur: