Hotontosaina ny sabotsy 25 janoary ho avy izao, etsy amin’ ny Kianja Barea Mahamasina, ny lalao fitsapana farany hihaonan’ny Barea Chan sy ny ekipa voafantin’ny “Pureplay Football League (PFL)”. Efa eto an-tanindrazana Razafindranaivo Koloina na Rakool, ary raha ny vaovao voaray omaly, hanampy ny mpilalaon’ny PFL ny tenany mandritra io fifanandrinana io.
Marihina fa niverina ao amin’ny klioban’ny CFFA Andoharanofotsy Rakool, ary efa niatrika fanazarantena. Tsiahivina fa mpilalao nisongadina nandritra ny “Chan Algerie 2022”, i Koloina, ary efa nilaravinahitra tao amin’ny klioban’ny Mouloudia Club d’Alger sy AS Arles France ny tenany, teo aloha.
Ankoatra izay, ity no fihaonana sy fampivondronana farany ataon’ny Barea Chan. Rehefa vita io lalao io, alefa mody ireo mpilalao 27 mirahalahy, mandrafitra ny ekipa nasionaly malagasy.
Efa tonga eto Antananarivo avokoa ireo Barea Chan, tarihan-dRakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô. Mitohy kosa ny fanomanan-tena ho an’ny ekipa nasionaly malagasy, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, nanomboka omaly.
F.R