Namoaka ny fandaharan-dalao amin’ny fifanintsanana ho an’ny vondrona “D”, hiadian-toerana ho an’ny “Afrobasket 2025” ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), omaly. Fihaonana miverina ho an’ny sokajy lehilahy, tanterahina eto Madagasikara, ny 21 ka hatramin’ny 23 febroary ho avy izao. Fantatra fa hidona voalohany amin’ ny Ankoay ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Nambaran’ny mpanazatra fa manan-danja hatrany ny lalao voalohany amin’ny fihaonana iraisam-pirenena toa izao. Ry zareo Ivoarianina rahateo, tsy manao ambanin-javatra ity fihaonana ity ka nanafatra ireo mpilalao sangany manerana an’i Eoropa, hatrany Etazonia. Anisan’ ireny i Ugo Doumbia sy i Sydney Hawmmond ary i David Gassaud.
Ny Ivoarianina izay mitarika vonjimaika amin’ity sokajy “D” ity, nandresy intelo ary manana isa 6. Hanala vela amin-dry zareo Elefanta rahateo ny Ankoay amin’ity. Araka izany, hiendrika famarananakely, araka izany, ny fihaonan’ny roa tonta. Aorian’io, hifanandrina amin’ny Faraonan’i Egypta ny Ankoay, ny sabotsy 22 febroary. Fihaonana farany ho an’ny Ankoay ny fifanandrinana amin’ i Centrafrique, ny alahady 23 febroary. Tafita hiatrika ny “Afrobasket 2025” hatao any Angola, ny volana aogositra ho avy izao, ireo firenena telo voalohany amin’ity vondrona “D” ity.
Tompondaka