SOMBIM-BAOVAO

Noho ny fahatrarana ny taom-baovao 2025, tonga niarahaba sy nirary soa ny filohan’ny Federa­siona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Andriama­nampisoa Alfred, tetsy Isoraka, omaly, ny mpilalaon’ny Barea Chan, notarihin’ny mpanazatra, ny Me Rôrô. Nanatan­teraka ny adidiny ihany koa ny avy ao amin’ny CFEM niaraka tamin’ny mpitantana azy.
Araka ny fikarohana natao omaly, nifindra klioba ao amin’ny Las Palmas Espagne, i Andy Pel­mard, mpilalao baolina kitra manana firazanana malagasy. Ity taom-pilalaovana ity ihany no hifanarahan’ny roa tonta fa raha tsara ny zava-bitan’i Andy Pel­mard, azo havaozina ny fifanarahana. Tsiahivina fa nilalao tao amin’ny Clermont Foot France izy teo aloha.
Hafana tanteraka ny fifanandrinana anio, eo amin’ny Paris Saint Germain FC (France) sy ny Man­chester City (Anglisy). Lalao izay tafiditra amin’ny andro faran’ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny “Ligue des Champions”. Zava-dehibe tokoa ity fihaonana ity, izay resy amin’izy roa no mihintsana. Hampian­trano ny fifandonana ny klioba parizianina.
Fantatra, omaly, fa tsy hitondra ny Real Madrid, ekipa espaniola, intsony i Carlo Ancelotti, mpanazatra, aorian’ity taom-pilalaovana ity. Tsiahi­vina fa ratsy hatrany ny vokatra azony, indrindra rehefa mifandona amin’ny klioban’ny FC Barcelona, anisan’ny tena fihaonana manan-danja any Espagne.

Partager sur: