Fandrobana ny harena voajanahary : « Sahia mitoroka, sahia mampihatra ny lalàna », hoy ny AVG

Mankasitraka ny fanjakana nandray andraikitra manoloana ny fandrobana ny harena voajanahary ny vovonana AVG. Nohitsiany koa fa tsy vitsy ny olom-panjakana mitsikomba amin’ny olon-dratsy.

Mirongatra ny fandro­bana ny harena voajanahary. Naneho hevitra, omaly, ny Vovonana Alliance Voahary Gasy (AVG), notarihin’ ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA), Razakamanarina Ndranto. Notronin’ny mpikambana. Voalaza fa manomboka hita ny vokatry ny fiaraha-mientan’izay mahatsapa tena manoloana ny loza efa mihatra. Nankasitrahiny ny mpitandro filaminana, ny ao amin’ny fadintseranana, ny fitsarana, ny minisiteran’ny Tontolo iainana, sahy nanao ny asany na maro aza ny sakantsakana sy tsindry mahazo azy ireo. Nan­kasitrahin’ny AVG koa ny nanomezan’ny fitondram-panjakana fampirisihana ireo mandray andraikitra tamin’ny fanagiazana ny sokatra tratra.

Raha aravona, « sahia mi­toroka, sahia mampihatra ny lalàna », hoy ny AVG. Satria misy ny olom-panjakana na olom-boafidy mitsikomba amin’ ireo mpanimba sy mpandroba ny harena voajanahary. Nisy depiote teo aloha voasarin­go­tra tamin’ny raharaha fitrandra­hana dingadingana (co­combre de mer). Solomba­vam­bahoaka iray koa tratra nitondra sokatra 112 teny Ambohibao. Ma­nam­boninahitra zandary, lietnà kolonely, sy zandary roa lahy tratra nitondra hazo voam­boana miisa 341 avy any Ma­nanara Avaratra. Hazo voamboana sy hazoala anarivony tratra tany Ambatondrazaka.

Manaitra sy manohana

Nitotaly 1 236 ny sokatra tratra nanomboka ny desambra 2024 mandraka ankehi­triny.
Manampy ireo, ny fando­rana ala iaraha-mahita toy ny any Ranomafana. Nomari­hin’ny PCA, Razakamanarina Ndranto, sy ny mpikambana, ny Profesora Ratsimbazafy Jonah, filohan’ny Gerp, fa tsy hitsahatra manaitra sy manohana araka izay azony ataony ny tomponandraiki-panjakana vonona hanao ny asany ny AVG. Eo koa ny laharana maitso 512 mandray ny fampitam-baovao omen’ny tsara sitrapo. Manara-maso ny fampiharana ny lalàna ihany koa izy ireo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: