Tsy mitsaha-mitombo ny fankasitrahan’ny mponina voakasiky ny tetikasa Base Toliara any ifotony. Anisan’izany ny ao Toliara I sy II, toy ny kaominina Tsianisiha, Belalanda, Ankilimalinike ary Maromiandra. Nisy ny famonoan’omby roa tany Tsivonoe Belalanda ho an’ny mponina sy ny olobe ary ny raiamandreny. « Hanamora ny fisokafan’ny Base Toliara indray ny mponina satria hiteraka asa ny tetikasa ary hitondra fampandrosoana, indrindra ireo kaominina dimy », hoy ny lehiben’ny distrika Toliara II, Rakotovao Lalaina. Ho an’ny tale kabinetran’ny faritra Atsimo Andrefana, Rendela Rausalio: « faly aho, satria tafahaona daholo ny fanjakana, ny Base ary ny vahoaka. Tokony hisy tetikasa maromaro toy izao aty Atsimo Andrefana ».
Nomarihin’ny lehiben’ny distrika Toliara II, fa « tsy hisy intsony ny famotehana na fanitarana lalana. Hindramin’ny Base ny lalam-pirenena fahasivy mandritra ny fananganana fotodrafitrasa, fa hanao lalana vaovao ny orinasa rehefa mandeha ny fitrandrahana ». « Tsy hahasakana ny tetikasa intsony ireo mpanohitra ny fampandrosoana », hoy ny ben’ny Tanàna mpisolo toerana Belalanda, Bezozo Bernardin Jean.
Nizotra tsara ihany koa ny fotoana tany Sakabera, kaominina Toliara I. Nilaza ny talen’ ny fifandraisana Base, Mahafaritsy Samuel, fa « hanamboatra tetezana vaovao mirefy 600 m, any Sakabera Toliara I ny base, mba hialana amin’ny tetezana any Fierena ».
Njaka A.