Tsipy kanetibe – “PPF 2025”: Iray ekipa i Rocher sy i Rizzi ary i Delahaye

Hangotraka ny famaranana lehibe amin’ny « Passion Pétanque Française (PPF 2025) ». Nisafidy ny hiaraka ao anaty ekipa iray ireo andrarezina ka anisan’izany ilay frantsay, i Dylan Rocher, ilay Italianina, i Diego Rizzi. Manana ekipa roa kosa ny Malagasy amin’ity.

Ho toy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany kely ny famara­nana lehibe amin’ny “Passion Pétanque Française (PPF 2025)”, taranja tsipy kanetibe, amin’ity. Fihaonana hotanterahina ny sabotsy 15 sy ny alahady 16 febroary ho avy izao, ao amin’ny Kianja Complexe sportif du Val del’Arc.
Hifampitana amin’izany avokoa mantsy ireo kalaza­lahy rehetra amin’ity taranja ity. Araka izany, samy nanao ny safidiny ireo mpilalao 16 voalohany, nanana isa be indrindra nandritra ny fifaninanana nampanaovin’ny PPF, ny taona 2024. Efa fantatra avokoa ireo hiaraka amin’ity famaranana lehibe ity. Anisan’izany i Dylan Rocher sy ilay italia­nina, i Diego Rizzi tompon­daka maneran-tany 2024 ary i Adrien Delahaye.
Ankoatra azy ireo, hifa­nome tanana ihany koa i Quintais sy i Philippe Suchaud ary i Pietri. Mpilalao totota­nana avokoa, izany hoe, Mala­gasy ranoray no mandrafitra ny ekipan’i Madagasikara. Hanana ekipa 2 ny Malagasy amin’ity “PPF 2025” ity ka ny ekipa voalohany ahitana an’i Zigle, tompondaka maneran-tany amin’ny «tir de précision 2024» sy i Tianakely, tompondaka maneran-tany lefitra 2024 ary i Baloti. Ny ekipa faharoa, tarihin’i Racle, mpilaravinahitra any France sy i Nanou ary i Tsé-Tsé. Mpilalao efa zatra fihaonana iraisam-pirenena avokoa izy enina mirahalahy ireo. Marihina fa tsy tafiditra ao anatin’ireo lisitra navoakan’ny PPF hanaovana fifantenana i Christian Fazzino sy Ny Havana, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo.
Raha ny fandaharam-po-toana, hatao ny sabotsy ma­raina ny fihodinana voalohany sy faharoa. Ny tapakandro hariva ny lalao sakana sy ny ampahefa-dalana. Ny alahady maraina ny manasa-dalana ary ny folakandro ny famaranana.

Tompondaka

Partager sur: