Ao anatin’ny fianarana ataony eny amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure), nanatanteraka ny fanohanan-kevitra nahazoana ny mari-pahaizana Master II, ny tale teknika nasionalin’ny Volley ball, Raoelison Hasimbola Fanomezana. Manodidina ny « vokatry ny harerahan’ny mpilalao volley ball » no novoaboasany, nandritra izany. Nandrosoany ny soson-kevitra amin’ny fanomanana mila ataon’ny mpilalao iray. Nohamafisin’ny DTN Raoelison Hasimbola, fa tena ilaina ny fanomanana ara-batana ary indrindra ny ara-tsaina, mba hisorohana sy handrindrana io harerahana io. Misy vokany ratsy amin’ny fiatrehana fifaninanana ny harerahana ara-batana sy ara-tsaina ka izany indrindra no antony nisafidianany ity lohahevitra ity. Hitany nandritra ny fifaninanana avo lenta sy teny anivon’ny klioba teny izany olana izany ka nandrisika azy hanao fikarohana. Mikasa ny hanatanteraka fifampizarana amin’ireo teknisianina eo anivon’ny taranja volley ball manerana ny Nosy, Raoelison Hasimbola Fanomezana, mba ho fampiharana ny fikarohana nataony ho an’ny taranja volley ball malagasy.
Mi.Raz