Misongadina tanteraka ao amin’ny ekipam-pirenena Kanada, Rafanomezantsoa Loris, teratany malagasy mizaka zom-pirenena Kanadianina milalao Hockey. Ao amin’ny Oniversiten’ny Trois Rivières Quebec izy no milalao sy manovo fianarana. Lavon’i Kanada 10 no ho 2 ny ekipa nasionalin’i Etazonia, ny afakomaly teo.
Afaka fito andro sisa, hifarana indray ny volana janoary. Andrasana fatratra amin’ity ny anaran’ilay mpanazatra vaovaon’ny Barea de Madagascar. Tsiahivina fa efa nilaza ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) fa efa mamarana ny lamina rehetra mahakasika ity teknisianina vaovao ity ry zareo, fa hambara ofisialy izany rehefa vita.
Nanoratra taratasy ho an’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, amin’ny tsy fahafahany miatrika ny fifaninanana “Karate 1 Premier League” hatao any Paris, ny atleta malagasy, Rakotobe Fenosoa. Nambarany fa noho ny antony arak’asa izay tsy hahafahany miala no tsy hahafahany miatrika ity fifaninanana hatao ny 24 hatramin’ny 26 janoary izao ity.
Hotanterahina eny amin’ny kianja Betongolo sy ny kianja Sainte Famille Mahamasina, ny tohin’ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja Volley ball, sokajy “Jeunes”, amin’ny faran’ity herinandro ity. Noraisina izao fanapahan-kevitra izao noho ny fahafahan’ny Kianja Akany Sambatra Itaosy mandray lalao amin’ireo andro ireo.