Toy ny taranja rehetra, miomana amin’ny fanokafana ny taom-pikatrohana 2025 ihany koa ny taranja lalaon-tsaina Echecs. Ho fanombohana ny taona, ny fifaninanana natokana ho an’ny ekipa sokajy «mixte» no hisantaran’ny Federasiona malagasin’ny lalaon-tsaina Echecs ny fandaharam-potoanany, amin’ity 2025 ity. Araka izany, hisy ny lalao fanokafana ny taom-pikatrohana izay hatao ny 15 febroary izao, eny amin’ny ACSA Ambohidahy, sokajy «mixte» ka voafaritra ho mpilalao 2 isaky ny ekipa no mandray anjara. Hahitana fihodinana 7 ny fifaninanana araka ny fitsipika napetraka ka haharitra 15 minitra indroa miampy 10s/coup. Aorian’ity fifaninanana ity, hamoaka ny tetiandron’ny fifaninanana ho an’ny taona 2025 ny federasiona. Ho fantatra avokoa, araka izany, ny daty sy ny toerana ho an’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly sy ny iraisam-pirenena. Efa fantatra kosa fa hisy fiadiana ny tompondakan’i Afrika ho an’ny sokajy “Jeunes” sy “Seniors” handraisan’i Madagasikara anjara, amin’izao fiandohan’ny taona izao. Fifaninanana hatao ny volana febroary sy marsa ho avy izao any Maorisy sy Kenya.
Mi.Raz