Tanjon’i Madagasikara ny hahaleo tena ara-tsakafo. Hametraka paikady vaovao ny fanjakana sy ny mpisehatra isan-tsokajiny, hanatrarana izany.
Atao eny amin’ny CCI Ivato, omaly sy anio (23-24 janoary), ny Fikaonandoham-pirenena ho an’ny fanatsarana ny fambolena. Nanokatra ny fotoana ny filoha Rajoelina Andry, nilazany fa tanjona ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Voakasik’izany avokoa ny sehatra marolafy, toy ny minisiteran’ny Fambolena (Minae), ny sekretarian’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ny Fanajariana ny tany (MADT), ny Varotra sy ny fanjifana (MIC), ny fandaharanasa Fihariana, sns. Tanjona ny hametrahana paikady mazava, hanatsarana ny rohi-pihariana fambolena. Miainga any amin’ny fambolena, ny fanodinam-bokatra, ny fikarohana lalam-barotra eto an-toerana sy any ivelany.
Nohazavain’ny minisitry ny Fambolena, Hajarison François Sergio, fa paikady vaovao hapetraka hanatsarana ny famokaran’ny tantsaha ny famaritana ny velaran-tany azo hambolena (état parcellaire) miisa 47. Hanatanteraka azy ny ao amin’ny Fanajariana ny tany. Nohazavain’ny minisitry ny Fanajariana ny tany (MDAT), Andriantsitohaina Naina, fa miisa 60 ny Biraon’ny Fananantany hapetraka, satria tsy ampy ireo sampandraharaha misy. Hapetraka koa ny antontam-baovao, hamantaran’ny mpampiasa vola vahiny ny toerana azo hanaovana fambolena vaventy na indostrialy. Zava-baovao hampiasaina hanatrarana ireo ny fampiasana ny teknolojia niomerika.
Sehatra mameno ny fambolena sy ny fiompiana ny jono. Nilaza ny minisitra Mahatante Paubert, fa tanjona ny ihinan’ny Malagasy hazandrano 11 kilao isan-taona, raha 4 kilao ny salanisa eto amintsika, ary 7 kilao ny salanisa aty Afrika.
Hanamora ny lalambarotra amin’ireo rohim-pihariana ireo ny ao amin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana. Tafiditra ao ny fanatsarana ny lalana, hamoahana ny vokatra, sady hanatsara ny vidiny ho an’ny tantsaha. Toraka izany koa ny fandaharanasa Fihariana.
Njaka Andriantefiarinesy