Judo-Vétérans : Hatao eto Madagasikara ny « Mondial 2025 »

Taona hiavaka ho an’ny taranja Judo ity taona 2025 ity. Voalohany amin’ny tantara, handray ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Vétérans, i Mada­gasikara amin’ity taona ity. Any amin’ny volana novambra any no hanatanterahana izany. Mpikatroka manerana izao tontolo izao, manodidina ny 2000 eo no ho avy eto Madagasikara hiatrika ity fifaninanana goavana ity. Ani­san’ny nanamora ny fangatahan’i Madagasikara handray ity fifaninanana ity ny nahalany fanindroany indray an-dRandrianasoloniaiko Siteny ho filohan’ny UAJ (Union Africaine de Judo). Eo amin’izay fifaninanana izay hatrany, hisy ny “camp” natokana ho an’ny ankizy amin’ity taona ity, hampivondronana ireo judokas katitakely manerana an’i Afrika. Nambarany fa mivoatra ny taranja Judo eto Afrika, fifaninanana 12 be izao no vita tamin’iny taona 2024 iny, raha toa 2 fotsiny izany talohan’ny nahatongavany teo amin’io toerana maha filohan’ny UAJ azy io. Ankoatra izay, nitombo ihany koa ny isan’ny mpikatroka Judo eto Afrika.
Nisy ny vaovao mahakasika an-dRasoanaivo Laura, noentin’ity filohan’ny UAJ ity, omaly. Nambarany fa hifandrombonan’ny Federasiona iraisam-pirenenan’ny Judo sy ny Federasiona malagasin’ny Judo ary ny komity olympika malagasy ny fiantohana an’i Laura amin’ireo fifaninanana 6 hatrehany. Hahazoany ny tapakila amin’ny lalao olympika manaraka izany. Vaovao lehibe koa ny famadihana ho grady iraisam-pirenena ireo tepana mainty rehetra amin’ity taona ity, raha ny fanazavana hatrany.

Mi.Raz

Partager sur: