Mitohy hatrany ny fifampizarana sy fampiofanana eo anivon’ny taranja Kung fu. Ny ligin’ny Kung fu Analamanga indray no nisitraka izany. Maîtres maro no nanaraka ny fiofanana sy ny fanazarantena, niaraka tamin’ny Grand Maître Avoko. Tanjona amin’izao fitetezana faritra izao, ny hanatsarana hatrany ny vokatra ho an’ny taranja Kung fu. “Fotoana fampiakarana ny vokatra izao, na ara-pitantanana na ara-teknika”, hoy ny nohamasin’ny Grand Maître Avoko. Tsiahivina, tany Vakinankaratra no nisantarana ny fampiofanana tamin’ity taona ity, nitohy eto Analamanga ary any amin’ny faritra Itasy indray no handray ny fiofanana manaraka. Omaly, nanatanteraka ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2025 ny fianakaviamben’ny taranja kung fu. Teny amin’ny Petit Palais Mahamasina no nanaovana izany. Nampivondrona ireo mpikatroka sy mpisehatra ny taranja kung fu rehetra ny fihaonana. Mahakasika ny tetiandro ho an’ny taona 2025 kosa, ho feno ny fandaharam-potoanan’ny Federasiona malagasin’ny kung fu ary hampahafantarina tsy ho ela izany.
Mi.Raz