Fanomanana ny Chan : Nanahirana ny Barea ny ekipan’ ny PFL

Nisongadina ny mpilalao voafantin’ny PFL, ny sabotsy lasa teo, tetsy Mahamasina raha nifanandrina tamin’ny Barea Chan. Nisaraka ady sahala 0 no ho 0 ny roa tonta. Maro ireo baoliana navotan’i Nina, mpiandry tsatoby Barea.

Sahirana tanteraka ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar Chan, raha nifandona tamin’ny ekipa voafantin’ny Pureplay Football League (PFL), afakomaly, te­tsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Ady sahala tsy nisy nitoko, 0 no ho 0, no nisarahan’ny roa tonta. Tsiahivina fa natao hanomanana ny fifaninanana afrikanina Chan 2024, izay hatao any Kenya, Ou­ganda, Tanzania, ny volana aogositra ho avy izao, ity lalao ity.
Nilaza ny mpanazatran’ny Barea Chan, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô fa manahirana ireo ekipa nasionaly hatrany ny mifanandrina amin’ny mpilalao voafantin’ny ligin’Analamanga, mbola maro ny fanamboarana tokony hatao. “Hisokatra indray ny varavarana ho an’ny fifidianana mpilalao. Efa handeha ny fifaninanana, ao izahay no hitily ary tsy misy intsony ny andrankandrana”, hoy i Coach Rôrô.
Tetsy ankilany, nilaza ny teknisianina nitondra ny ekipan’ny PFL, Rasoanaivo Titi, fa lalao natao hijeren’ny mpanazatran’ny ekipa nasionaly lesona izy ireny fa tsy sanatria hatao hifampihantsiana. “Tsara raha misy matetika ny fihaonana toy ireny, mba hahafahan’ny Coach Barea mijery ny lesoka”, hoy i Coach Titi.
Marihina fa hiverina ny voalohan’ny volana febroary ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League”.

Nisongadina i Nina

Nampiaiky ny mpijery tetsy Mahamasina ny fahaizan’i Nina, mpiandry harato Barea. Maro ireo baolina tokony ho tafiditr’i Mamisoa, Rakool sy ry Tinoh, mpilalao ao amin’ny ekipan’ny PFL, saingy voasakan’i Nina avokoa izany. Tsara ny mampahafantatra fa izy no kapitenin’ny Barea Chan.

F.R

Partager sur: