Manahirana !

 

Tsy hita be ihany ny iainana eto an-drenivohitra, manoloana ny fivoaran’ny toetr’andro. Nampikaikaika ny haintany sy ny tsy fisian’ny rano tamin’ny faran’ny taona. Izao, dobo-drano indray ny ankamaroan’ny faritra. Vaky ny fefiloha, petsapetsa ny tanàna, mitsikafona ny maloto. Misy ny tsy manankialofana andaniny, misy ny tandindomin-doza amin’ny aretina isan-karazany, ankilany.
Sarotra ny toe-draharaha, amin’ny ankapobeny. Iri-mahaory ilay orana. Ny tantsaha amin’ny toerana nieren-doza aloha dia velombolo aoka izany. Ny vary masaka eny an-tsaha, feno azy ireny ny arabe hanahazana azy. Ny mpiasa tany, afaka miasa. Ny manetsa, afaka manetsa ho an’ny vary vakiambiaty. Ny mpamboly legioma mioty ny vokatra. Mitobaka izany eny an-tsena.
Na izany na tsy izany, mila mahay mandamina fiainana ilay Malagasy. Sarotra ny fandidiana, hoy ny mpilaza. Betsaka ny filana mila vahana. Mifanindran-dalana amin’izany anefa, tsy mifanentana amin’ny zava-misy izy ireny. Indraindray ny zavatra nantenain-kanirina no mampivandravandra. Ilay nantenaina hitondra vokatsoa no mivadika ho nofy ratsy.
Izay ilay olombelona. Zava-dehibe anefa ny fahaizana miarina avy hatrany raha vao misy ny voina. Tsy mitanondrika amin’ny sarotra sy ny ady atrehana. Mahay manodina ny tranga miiba ho miabo. Mampiavaka ny vahoaka eto an-drenivohitra ilay mahari-pery. Afaka miatrika izay midona. Tsy mitanondrika amin’ny fahavoazana izay toa efa mahazatra amin’ny fiainana andavanandro.
Tsy manam-pidiny rahateo fa tsy maintsy mitraka na inon-kidona na inon-kihatra. Efa nozarina miaina anatin’ny ngidim-piainana ihany koa. Zary ilay mpiforitra anatiny, tsy hay atao ahoana fa dia “manahirana”. Aleo tsy hanaovana resabe fa samy miatrika izay manandrify azy fotsiny!

r.r

Partager sur: