Mpanazatran’ny Barea : Efa milamina ny fifanarahana, miandry sisa

Hivoaka alohan’ny faran’ny volana ny anaran’ny mpanazatra hitondra ny Barea de Madagascar. Anisan’ireo tsara toerana amin’izany i Corentin Martins.

Vita ihany ! Araka ny fa­na­dihadiana natao, omaly, hivoaka amin’ity herinandro ity ny anaran’ny mpanazatra vaovao hitantana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasiona ma­lagasin’ny baolina kitra (FMF), efa milamina avokoa ny fandaminana rehetra. Anio ihany ilay teknisianina vaovao no ha­nainga any amin’ny tany iaviany hamonjy an’i Madaga­sikara.
Hatreto aloha, mbola ba­raingo amin’ny rehetra hoe iza no anarana hisolo an-dRakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô ? Nilaza ity mpampita vaovao ity fa anisan’ireo tsara toerana amin’izany i Corentin Martins, frantsay. Tsiahivina fa fanamby goavana no miandry ny mpanazatra vaovao. Anisan’ny lehibe indrindra amin’izany ny hahazoan’ny Barea tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany Mondial 2026, izay hatao any Meksika sy Etazonia, ny taona 2026.
2 volana sisa

Manana fotoana eo amin’ny roa volana latsaka eo sisa ny teknisianina hitadiavana mpilalao mendrika hiaro ny voninahi-pirenena malagasy. Ny marsa ho avy io, hifandona amin’i Centrafrique sy i Ghana ny Barea. Tsy mbola fantatra ny kianja hilalaovana amin’izany. Tsara ny mampahafantatra fa andrasana amin’ny volana febroary ho avy io, ireo “inspecteur Caf”, hitily ny kianja Barea Mahamasina, izay tsy nahazo fankatoavana tany amin’ity Kaonfederasiona afrikanina ity. Araka ny fantatra, teratany malagasy no hanampy ity “Coach” ity saingy tsy mbola voafaritra mazava.

Fitia Randria

Partager sur: