Olana iray manahirana ny vahoaka malagasy ankehitriny ny mahakasika ny resaka jiro. Mbola mitohy indray ny resaka delestazy. Maro ny toerana na heverina ho stratejika aza no mahita faisana anatin’ny fahatapahana. Iaraha-mahalala ny toe-javamisy mahatonga izany. Tsy miankina amin-draolombelona intsony ny valifatin’ny natiora.
Na izany na tsy izany, anatin’ny fitadiavana ny vahaolana mahakasika izay ny fanjakana. Lohalisitra ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Mitotototo etsy sy eroa, mijery ny lalan-kivoahana amin’ny haizina lavareny. Efa iaraha-mahita ny asa vita, mbola maro ny tetikasa an-dalana famitana azy. Efa azo tsapain-tanana ny ezaka natao sy mbola hatao.
Etsy andanin’izay anefa, mitaky fandraisana andraikitra amin’ny Malagasy tsivakivolo izany. Misy ny mpangalatra jiro. Tsy tafiditra any amin’ny kajy fototra tokony ho anjaran’ny tsirairay, natao hisitra ny jiro izany. Maro lavitra noho ny mpanjifa ara-dalàna ny mpambotry firenena. Tsy vitan’ny very vola ny fanjakana, fa mbola mamono olona ny ratsy.
Firifiry tokoa izay ny olona namoy ny ainy noho ny tandrevaka. Ny mpiray tanàna no mifanambaka sy mifamorika amin’ny voina izay tokony ho azo sorohina. Malaky mifanome tsiny anefa raha misy ny loza miseho. Tsy manaiky ho diso izany Ramalagasy. Raha misy ny fahavoazana tsy maintsy noho ny adalan’ny hafa hatrany.
Mitaky fahatongavan-tsaina faobe izany. Tsy afaka ny ho zakain’ny mpitondra samirery ny zava-dratsy rehetra. Tsy maintsy iaraha-miazaka izany, tsy maintsy iaraha-manarina. Raha tsy misy ny fiaraha-misalaha mamaha ny olana dia tsy maintsy ho lavareny ny olana hianjady amin’ilay Madagasikara mamalantsika ity.
r.r