Hotanterahina any Chypre, ny 14 hatramin’ny 16 febroary izao, ny fifaninanana Karate 1, Serie A. Tsy ho diso anjara amin’izany i Madagasikara fa manana solontena roa vavy.
I Ornella sy i Tsiky Mialy no hihazo an’i Larnaka, Chypre, hiatrika ity fifaninanana iraisam-pirenena ity. Ity no fifaninanana iraisam-pirenena faharoa ho an’ny taona 2025. Fotoana ihany koa hahafahana manenjika ny tsy vita tamin’ny «Premier League», natao tany Paris, ny faran’ny herinandro teo.
Tsiahivina fa Rakotobe Fenosoa no tokony niatrika io fifaninanana tamin’ny faran’ny herinandro teo io, saingy nisy ny tsy fahafahany noho ny antony manokana. Vokany, tsy nanana solontena i Madagasikara. Mahasika ny fifaninanana, Karate 1 Serie A, any Larnaka, hifaninana amin’ny sokajy latsaky ny 55kg i Tsiky Mialy. Izy izay karatekas malagasy ao amin’ny klioban’ny Akka, nisongadina hatramin’izay ary nandrombaka ny medaly volamena 2 tamin’ny Lalaon’ny Nosy 2023.
Eo amin’ny sokajy latsaky ny 68 kg kosa no handray anjara i Ornella, mpikatroka avy amin’ny Aska, izay vao voalohany izy izao no hiatrika fifaninanana ao amin’ny Serie A, raha toa ka efa fanindroany kosa ho an’i Tsiky Mialy. Nambaran’ny tale teknika nasionaly fa tamin’ny alalan’ny fampivondronana voalohany natao ny fiandohan’ity taona ity, teny amin’ny ANS Ampefiloha no nitiliana azy roa vavy ireto.
Mbola manaraka fanazaran-tena mafy i Tsiky sy i Ornella mandra-pahatonga ny daty handehanany, ny 11 febroary izao. Zava-dehibe ny fiatrehana ity fifaninanana ity, hanatsarana ny filaharana maneran-tany, hoy hatrany ny fanazavana.
Mi.Raz