Navoakan’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny basikety (Fiba), tao amin’ny tranonkalam-pifandraisany, omaly, fa laharana voalohany amin’ny mpilalao basikety lalaovina olona 3 x 3 eto Madagasikara, Randriamampionona Elly sy Raherimanana Rondro Emeranchine (Chine). Samy mpilalaon’ny GNBC avokoa izy mianadahy ireo ary mandrafitra ny Ankoay de Madagascar.
Lojika izany raha ny tarehimarika sy ny zava-bitan’ireto mpilalao ireto tamin’ireo fifaninanana isan-tokony natrehiny. Elly, efa tompondakan’i Afrika ny taona 2022. Nahazo ny medaly volamena nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023, teto Madagasikara. Tompondaka lefitra teo amin’ny “Runball Fiba 3×3”. Medaly alimo teo amin’ny “Africa Cup” ary voahosotra ho mpilalao mpamono baolina be indrindra, tamin’ny “Fiba 3 x 3 Africa Cup 2024”.
Rondro (Chine) kosa nahazo ny medaly volamena tamin’ny olon-telo miaraka tamin’ny lalaon’ny Nosy 2023. Tompondakan’i Afrika 2024 ka nahatafita ny Ankoay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany hatao any Mongolie, ny 23 ka hatramin’ny 29 jona ho avy izao.
Tompondaka