Araka ny vaovao voaray avy eny anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, hampafantarina ny alakamisy ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny mpanazatra vaovao hitondra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Marihina fa efa milamina avokoa ny fifanarahana rehetra ary efa omaly ihany ilay teknisianina vaovao ity, no nanainga tany amin’ny firenena niaviany hamonjy an’i Madagasikara.
Fanamby goavana no miandry ny mpanazatra vaovao. Anisan’ny lehibe indrindra amin’izany ny hahazoan’ ny Barea tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany Mondial 2026, izay hatao any Meksika sy Etazonia, ny taona 2026. Hiatrika lalao roa amin’ity fifanintsanana ity ny ekipa nasionaly ny volana marsa ho avy io. Hifandona amin’i Centrafrique sy i Ghana. Manana isa fito ny Malagasy ary eo amin’ ny laharana fahatelon’ny vondrona “I” no misy azy ireo.
Hatreto dia mbola tsy fantatra ny anaran’ity teknisianina hitantana ny Barea ity. Araka ny filazan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Moustapha Marson Abdulah, hiarahan’ny Fifa sy ny fanjakana mandoa ny karaman’ny mpanazatra ny ekipa nasionaly.
Fitia Randria