Rehefa nahazo mari-pahaizana sy nandrato fianarana tany ivelany, i Faneva Ima, Malagasy mpilalao baolina kitra, nanambara ny tenany, ny afakomaly, teo fa vonona amin’izay izy ny hitondra sy hitantana ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Tsiahivina fa i Faneva Ima no nitondra avo ny Barea nandritra ny Can 2019 tany Egypte.
Taorian’ny filazan’i Sylvio Ouassiero, Malagasy mpilalao baolina kitra, ny afakomaly teo, fa tsy hanao baolina intsony ny tenany. Fantatra indray izao, fa hiverina hanohy ity taranja ity indray izy, satria nalain’ny ST Pauloise FC atsy La Reunion hilalao ao aminy. Marihina fa vodilaharana i Sylvio Ouassiero.
Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ny Malagasy mpilalao badminton. Fihaonana, hotanterahina any Douala Cameroun ny 10 ka hatramin’ny 17 febroary. Handefa mpilalao 6 mianadahy i Madagasikara ka 3 vavy ary 3 lahy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany. Hisy ny lalao ho an’olon-tokana sy ho an’olon-droa miaraka.
Firenena 10 amin’ny 12 no efa fantatra fa hiatrika ny Challenger Series, amin’ny taranja rugby. Allemagne, Bresil, Canada, Chili, Georgie, Japon, Hong-Kong, Chine, Madagascar, Portugal, Ouganda. Fihaonana hotanterahina ao Cape Town Afrika Atsimo ny 1 sy 2 marsa ny dingana voalohany ary ny 7 sy 8 marsa ny faharoa.