Hanomboka anio dia hientanentana indray aloha ny mpitia baolina kitra andaniny, ny vahoaka malagasy tsivakivolo ankilany. Miala any ny mpanazatra vaovaon’ny ekipan’ny Barea, sokajy A. Samy miandry hoe iza no izy? Ny anarana aloha efa nandehandeha teny amin’ny tambajotran-tserasera. Izy rahateo efa eto an-toerana hatry ny omaly.
Sasa-miandry ny mpitazana satria nanahiran-tsaina ny vokatra azon’ity ekipam-pirenena malalantsika ity tato ho ato. Miandrandra fahagagana mihitsy ny ankamaroan’ny olona. Vao heno fa tonga ny “vahiny” ho tompon-tanàna dia efa adihevitra teny anelakela-trano rehetra teny. Toy ny zava-drehetra, betsaka ny mpanatsatso. Maro ihany koa anefa ny velom-panantenana tampoka teo.
Ny azo ambara, latsa-paka ao am-pon’ny Malagasy ny fitiavam-baolina. Tena hoe iainany tsotra izao. Vao mahita hirika ny hanitaran-dresaka dia roboka avokoa. Miandahy miambavy ny fifanazavana. Toa mpahay baolina kitra matihanina avokoa. Tena mahavariana ny zava-miseho. Latsaka am-po ilay fitiavana. Mila hifanainga sandry, miampy ny vavabe rehefa mangotraka ny ady hevitra.
Mahafinaritra ! Hadinon’ny olona ireo endri-pahoriana sy fahasahiranana. Mafotaka ny toe-draharaha eny am-pilokana daomy, karatra, ludo. Miaraka amin‘ny fisotroana galeoka na ny “botakely”. Haingohaingoina fiteny “hafahafa” dia mainka miakatra ny maripana. Tena mampirarak’ivy ny mitazana azy rehetra. Mainka mampitolagaga ny mahita azy mianakavy mahay tsianjery ny anaran-dry zalahy mpilalaon’ny Barea.
Tsy ho lany ny resaka raha vao baolina kitra ny lohahevitra. Ny hamintinana azy, tsy manan-jo ny tsy hahomby ny ekipan’ny mpitarika ny Barea. Mila fandresena 100 % avy amin’izy ireo ny Malagasy. Ny indrokelin’ny mpandrafitra dia mety hampirehitra ny afo amin’ny fitsaram-bahoaka ety amin’ny tambajotran-tserasera indray.
r.r