Efa nambara tamin’ny fomba ofisialy tetsy Mahamasina, omaly, fa ilay frantsay, Corentin Da Silva Martins no mpanazatran’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Tsy voaresaka tao ny karamany.
“Hiezaka ny tenako mba hampiakatra ny baolina kitra malagasy, ary ny hanaovan’ny Barea de Madagascar Mondial amin’ny 2026”, hoy ilay frantsay mpanazatra vaovaon’ny Barea, Corentin Martins, omaly, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Nilaza ny tenany fa manana ny maha izy azy ireo malagasy mpilalao na dia tsy milalao amin’ireo klioba goavana any Eoropa aza. Nohamafisiny ihany koa fa anisan’ny tena mampiavaka ny Barea, ny fananan’izy ireo teknika efa avo saingy somary kely ara-batana.
“Tiako kokoa ireo mpilalao kely nefa mahafehy ireo kalitao teknika eny ambony kianja”, hoy ihany ity teknisianina vaovao ity. Fanamby voalohany ho an’i Corentin Martins, ny lalao izay hihaonana amin’i Centrafrique, araka ny fanazavana nataony, efa hiasa sahady ny tenany hijery sy handresy lahatra ireo Malagasy milalao any ivelany, handrafitra ny Barea. Aorian’io, hifandona amin’i Ghana ny Barea.
Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa tsy nambara teo imason’ny rehetra ny karaman’ny Mpanazatra, fa notazomin’ireo tomponandraikitra ho tsiambaran-telon’izy ireo hatrany. Maharitra herintaona kosa ny fifanarahana.
Tsiahivina fa i Corentin Martins, mpilalao efa nandrafitra ny ekipam-pirenena Frantsay, ny taona 1996. Efa nitondra ny ekipa nasionalin’i Mauritanie, tany amin’ny Can 2019 sy ny 2021. Efa nitantana ny ekipam-pirenen’i Lybie ary nanazatra klioba tany France sy i Algerie.
Mpanazatra mpanampy
Azo lazaina fa nahavita ny asany ihany ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Marson Moustapha Abdulah, sy ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred. Nitana ny teny nomeny izy ireo, ary nivoaka alohan’ny volana janoary ihany ny anaran’ilay mpanazatra vaovaon’ny Barea. Miandry ilay Malagasy hanao mpanampy mpanazatra kosa ny maro. Araka ny fanadihadiana natao, mety ho hatolotra an-dRakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô izany, raha toa ka manaiky ny hanao izany ny tenany.
Fitia Randria