Tontosa ny alarobia 29 janoary lasa teo, teny Ankorahotra, ny fanolorana ireo mpikambana mandrafitra ny birao hitantana ny kaomitin’ny taranja Pancrace eto Analamanga, tarihin’ny filohany, Nova Colombe. Hanome aina indray ity taranja ankafizin’ny tanora malagasy ity, no tanjon’ny mpitantana vaovao ary vonona ny hitondra fampivoarana, tsy ny lafiny ara-batana ihany, fa ny ara-moraly koa, ho an’ireo mpikatroka eto Analamanga. « Tsy fanatanjahantena fotsiny ny Pancrace fa fitaovana hahafahana manabe sy manampy ny tanora amin’ny fahaiza-miaina sy fanalavirana ny zava-mahadomelina », hoy ny nambaran’ity filohan’ny kaomity Analamanga ity. Tsiahivina, fa nafindra hotantanin’i Nova Colombe, ny kaomitin’ny taranja Pancrace eto Analamanga, rehefa lasa filohan’ny CMPS (Commission Malgache de Pancrace), i Zafindraivo Mely, volana vitsy izay.
Hisantarana ny taom-pikatrohana 2025, hikarakara « Combat de défi » sady fanokafana ofisialy ny taona, izay hatao ny volana marsa, izao, ny kaomity Analamanga. Aorian’izay, hisy ny fifaninanana « Défi Pack Open », hatao ny volana avrily, hitohy amin’ny fiofanana ho an’ny mpanazatra izany. Ny « Grand Prix de l’indépendance » kosa no hanohizana ny fandaharam-potoana, any amin’ny volana jona any. Hisy koa ny fiofanana fanamafisana ny ara-teknika, hatokana ho an’ny atleta avy amin’ny klioba 17 eto Analamanga, mialoha ny fiadiana ny tompondaka nasionaly, ny volana septambra.
Mi.Raz