Tsy mandrimandry be ihany ny tanàna amin’izao? Mirongatra ny asan-jiolahy: tsy andro tsy alina, tsy an-tanàn-dehibe tsy ambanivohitra… Zava-tsy inona, mety amoizana aina na aharatrana tsy amin’ny antony. Nahoana? Misy milaza fa miparitaka ny fitaovam-piadiana tsy fantatra hoe avy aiza, tsy miraharaha na matahotra fanjakana ny olon-dratsy, ao ny te hanan-karena tampoka… Very hasina mbamin’ny fiarahamonina sy ny maha olona: na ny havana akaiky aza, mety maka an-keriny, manolana, misoloky… Tsy hita tanisaina sy visavisaina. Manginy fotsiny ny karazana fanambakana, fanaovana kolikoly, fanararaotana… Tsy misy afa-tsy lafiratsin-javatra ny fiarahamonina amin’izao? Na izay no tena mibahan-toerana, mahazo vahana…
Sanatria, mihazakazaka any amin’ny fahalovana ny sasany? Na mifaninana amin’ny fanaovan-dratsy… Vitan’ny fampiharan-dalàna ve izany rehetra izany? Na ny fampiasana hery ohatra, amin’ny fampandriana fahalemana… Mitsidika ao an-tsaina ho azy amin’izany koa ny tontolo politika tsy hita be ihany amin’ny karazana fanehoan-kevitra na fanambarana, fanelezana vaovao tsy marina, fihantsiana, fanakorontanana… Hanao ahoana? Tsy mandrimandry be ihany, tsy mandrimandy manana aretina koa anefa ny tena. Misy ny azo atao, ny azo tahafina, ny azo antenaina… Mby aiza? Izay no maha zava-dehibe ny maha olona. Hoe anisan’ny andry telo amin’ny fampandrosoana rahateo. Tsy mampandrimandry manana aretina amin’izao.
Fahantrana no antony? Na very mbamin’ny soatoavina; eny, na ny maha olona ihany aza. Misy tsy manana inona na iza hajaina? Miaina fe miaina fotsiny sisa… Mahantra hatramin’ny saina ny fo amam-panahy? Misy ny mosarem-pitiavana sy fihavanana, fifanampiana… Tsy mampandrimandry fa aretina? Mila ifantohana misimisy kokoa…
R. Nd.