Nandray ny toerana maha filohan’ny Federasiona malagasin’ ny Golf, afakomaly, Ravatomanga Maminiaina. Goavana ny fanamby napetrany, toy ny fidiran’ny taranja ao anatin’ny kaomity olympika.
Hitantana ny Federasiona malagasin’ ny Golf (FM Golf) mandritra ny efatra taona manaraka, Ravatomanga Maminiaina. Nametraka fanamby goavana hampivoarana io taranja io izy. “Mazava ny vina dia ny hidiran’ny FMGolf anatin’ny kaomity Iraisam-pirenena Olympika (COI)”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny federasiona. Hampiakatra ny lentan’ny golf malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hampiroboroboina io taranja io, hisy ny vina manokana hananganana tambajotrana toeram-pianarana hikirakira izany. Tanjona ny hahafahan’ny rehetra misehatra amin’ny Golf, indrindra hifehezan’ny tanora izany. Manoloana io, handrafetana manokana ny mpikambana anatin’ ny federasiona ny taona voalohany. Dingana volohany, hampirisihina hanana ny fiantohana na “assurance” ireo rehetra manana Licence. “Hampiditra ny World Handicap System (WHS) hisian’ny fanarahana ny fenitra », hoy ny fanazavan’ny filoha lefitry ny federasiona, Johary Raveloarison. Anatin’ny fandaharan’asa koa, ny fampiofanana manokana ireo mpampiofana sy fifaninanana federaly. Ny fampidirana ny taranja any anatin’ny kaomity olympika iraisam-pirenena.
Marihina fa tontosa afakomaly ny lanonam-pametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny kaomity vaovao, mandrafitra ny Federasiona malagasin’ny Golf, hiasa mandritra ny efa-taona.
Tsiferana R.