Kick Boxing-2025: Ady iraisam-pirenena telo miandry ny Malagasy

Feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny Federa­siona malagasin’ny kick boxing amin’ity taom-pikatrohana 2025 ity, na ny eto an-toerana izany, na ny any ivelany. Anisan’ny goavana ireo fifaninanana iraisam-pirenena telo miandry ny federasiona ary mikasa ny hampandray anjara ny Malagasy mpikatroka amin’izany ny FMKB. Voalohany amin’izany, ny fiadiana ny amboara maneran-tany, andiany faha-10, izay hatao any Istambul Turquie, ny 12 hatramin’ny 18 mey izao. Manaraka izany, ny « World Games », sokajy Seniors (PK, K1), hatao any Chine, ny 9 hatramin’ny 15 aogositra izao. Farany, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Senior, hatao any Abu Dhabi, ny 21 hatramin’ny 30 novambra izao. Tsiahivina fa nahazoan’ny Malagasy medaly volamena 10 be izao io fiadiana ny tompondaka maneran-tany io tamin’ny taona 2024.
Ho any eto an-toerana kosa, hosokafana ofisialy amin’ity volana febroary ity, ny taom-pikatrohana 2025. Ny fifaninanana eny anivon’ny seksiona, mitohy eny amin’ny ligy ary mifarana amin’ny fifaninanam-pirenena no mameno ny fandaharam-potoana. Hisy ihany koa ny ady iraisam-pirenena hatao eto Antana­narivo sy ny ady hitiliana izay handrafitra ny ekipa nasionaly ary ny fampivondronana azy ireo.

Mi.Raz

Partager sur: