Anisan’ny departemanta iray ifantohan’ny Politikan’ny fanjakana malagasy, ankehitriny, ny fizakan-tena ara-tsakafo. Mitarika ny ezaka amin’izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Milofo amin’ny voly vary sy ny fampitomboana ny vokatra ny mpitondra sy ny tantsaha. Mampivelatra sy manome vahana ny voly vary safiotra izy ireo.
Misy ny fizarana masomboly mahakasika izany. Miroborobo fatratra ny doka. Tena maharesy lahatra raha ny antontanisa voalaza no zohiana akaiky. Iza tokoa no tsy ho roboka? Avo roa heny be izao ny voka-bary hotazana raha fararano. Tsy hisy intsony tokoa ny olana amin’ny voka-bary. Hanana amby ampy aza raha ny tombana ambara mandritra ny fifandresen-dahatra.
Mila fitandremana anefa ny fampiasana azy itony, raha ny ambaran’ny teknisianina. Anisan’ny ilana fahamalinana lehibe ny mahakasika ny rano. Mitaky izany misimisy kokoa ny masomboly. Isika Malagasy anefa, miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’izao fotoana izao. Kirizy iray hafa ny mahakasika ny rano na hosotroina na hidiovana, maika ho an’ny fambolena.
Tsy hojerena amin’ny fomba miiba anefa ny zava-drehetra fa ilay taham-pamokarana faobe no andao havoitra. Mendrika ny fizakan-tena ara-tsakafo ny vahoaka malagasy. Izay voky rahateo no maharaka ny namany, hoy ny fiteny mahazatra. Firenena midadasika, manana toeram-pambolena mivelatra, azo ivalamparana tsara. Asakasak’izay tsy hanao io!
Ny vary no efa foto-tsakafo, mazava ho azy mendrika fijerena manokana ny fambolena azy. Tsy rariny raha firenena be velarana sy voalaza fa tantsaha ny 80% ao aminy no manafatra vary. Azo atao tsara anefa ny miala amin’izany vesatra ambony ampanga izany. Indrindra ny fanomezana tombontsoa manokana ny olom-bitsy na mpandraharaha voafantina sy akamakama!
r.r