Anatin’ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball, amin’izao, ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de volley-ball), lahy sy vavy. Fifaninanana hatao any Maorisy, ny 1 hatramin’ny 8 marsa ho avy izao. Ho fanamafisana izay fanomanana sy fanazarantena izay, hisy ny “match de défi” hataon’izy ireo ny 8 sy 9 febroary izao, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano. Lalao hifanandrinan’ny ekipan’ny Zandary, lahy sy vavy, amin’ny ekipa nasionaly voafantina, mpilalao mendrika notsongaina avy amin’ny klioba manerana ny Nosy.
Tsiahivina, firenena 6 no handray anjara amin’ity andiany faha-29, CCC Zone 7, ity. Ahitana an’i Comores, La Réunion, Maurice, Madagasikara, Mayotte ary Seychelles. Araka ny fandaharam-potoana navoakan’ny CAVB (Confédération africaine de volley-ball), ny 25 febroary ny fahatongavan’ny komity mpanara-maso any an-toerana. Ny 26 sy 28 febroary ny fahatongavan’ny mpilalao sy ny mpanazatra rehetra avy amin’ ny firenena isanisany. Ny 28 febroary no hirosoana ny fanadihadiana mialoha sy ny fivoriana ara-teknika ary hanomboka ny lalao ny 1 marsa, hitohy hatramin’ny 8 marsa.
Mi.Raz